NY RARINY ARA-TSOSIALY araka ny Isaia 58
Par M. Regis.
Fampidirana
Omen’Andriamanitra baiko Isaia eto amin’ity toko 58 ity mba hampiharihary ny fahotan’Israely eo anatrehany: “Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara, ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany, ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany” (58.1). Ny antony dia noho ny tsy fahatsapan’ny zanak’Israely ny fahadisoana teo anatrehan’Andriamanitra. Manamarina izany ny fanontaniana apetrak’izy ireo eo amin’ny andininy faha 3a : « Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao (58. 3) ». Fanontaniana izy miendrika fanamarinan-tena; eny, fanomezan-tsiny sy tsy fifaliana ary fanoherana an’Andriamanitra mihitsy aza. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy miraharaha izay heveriny fa mety ataony akory Andriamanitra. Tsy rariny, amin’izy ireo, io fihetsik’Andriamanitra io ka nahatonga azy ireo toa mihantsy an’Andriamanitra eto : “nahoana izahay no mifady… nefa tsy ahoanao?”. Manaitra ao anatin’izany ny fiverimberenan’ilay mpisolo tena “-nao, -nao”, izay maneho fa mivantambantana ilay fanontaniana ary tiany hamaly avy hatrany Andriamanitra. Mipetraka noho izany ny fanontaniana hoe: Fa inona marina ny fahadisoan’ireto zanak’Israely ireto? Nahoana izy ireo no nihevitra fa efa nanao ny mety teo anatrehan’Andriamanitra? Inona no takian’Andriamanitra amin’izy ireo?
Ny voalazan’ity Isa 58 ity ihany no entintsika mamaly ireo fanontaniana ireo. Ka amin’ny tapany voalohany dia asongadintsika ny hafanampon’ireto vahoaka ireto. Ny fizarana faharoa kosa no andinihantsika lalina kokoa ny tsy rariny niainan’izy ireo. Ary ny fizarana fahatelo no hijerena manokana izay andrasan’Andriamanitra aminy.
1. Ny endrika hafanam-pon’ny vahoaka
Manaitra tokoa ilay endrika fahazotoana na hafanam-po nasehon’ny vahoaka eto fa :
a. Tia mihaino tenin’Andriamanitra
- Isan’andro isan’andro dia tonga hitady an’Andriamanitra, tonga hihaona amin’Andriamanitra izy ireo (and. 2a). Izany hoe, isaky ny miposaka ny masoandro dia tonga amin’ny toerana fihainoana ny tenin’Andriamanitra izy eo.
- Ny hahalala ny lalan’Andriamanitra no sitrany (and 2b). Izany hoe, raha ny fihetsiny no jerena dia toa te-hahalala ny tenin’Andriamanitra tokoa izy ireo. Mampahatsiahy antsika ny toe-panahin’ny zanak’Israely izay nambaran’Andriamanitra tamin’i Ezekiela mpaminany izany manao hoe: “Ary ianao ry zanak’olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny ambodirindrina sy eny ambaravaran’ny tranony ka samy manao amin’ny rahalahiny hoe: Andeha isika ary aoka handre izay teny avy amin’i Jehovah. Dia mankao aminao tahaka ny fiavian’ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao tahaka ny oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatoa azy; fa, indro teny mamy no lazain’ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena. Ka indro ianao dia ataony tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry, fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatoa azy” (Ez 33. 30-32).
Raha ny fihetsik’izy ireo ivelany tokoa no jerena, dia fahafinaretana ho azy ireo ny mihaino ny tenin’Andriamanitra, tonga mitady ny mpaminany mihitsy aza izy mba hanambara aminy izany, saingy tsy mampiova na inona na inona amin’ny fitondran-tenany akory ilay teny voalaza fa ankamamiany. Manamarina io fiainana io ihany koa ny zava-misy iainan’ny kristiana maro ankehitriny matetika. Firifiry moa ny olona tonga am-piangonana hihaino tenin’Andriamanitra? Tsy vitsy ny mamadika ireny toriteny ireny ho tononkira mahafinaritra. Saingy, tena manova ny fitondran-tenany tokoa ve izany? Ny zavatra hita aza dia manjaka ny kolikoly sy ny fitiavan-tena ary ny tsy fahamarinana isan-karazany eto amin’ity tanintsika ambara fa firenena kristiana ity. Toa mijanona ho fihetseham-po ihany ilay ambara fa fitiavana ny tenin’Andriamanitra hiraina etsy sy eroa.
b. Tsy mahafoy ny fitsipik’Andriamanitra
Manaraka izay, toy ny olona marina rehetra, dia tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo (and. 2b). Izany hoe, tsy mihevitra izy ireo fa tsy ao amin’Andriamanitra akory ny fiainany. Ary tsy misokajy ny tenany ho mpanota akory izy. Sahin’izy ireo mihitsy aza ny mitaky ny fitsarana marina avy amin’Andriamanitra (and. 2). Izany hoe, matoky tena izy ireo eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra fa tsy anisan’ireo ho meloka akory.
c. Maneho fihetsika feno fanetren-tena
- Fa ankoatr’izay dia mifady hanina izy ireo, mampijaly tena mihitsy aza (mortifier l’âme, and. 3), mampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro (and. 5) izay toa maneho fa foanany ny tenany (se dépuiller) eo anatrehan’Andrimanitra.
- Tsy vitan’izay fa mihosin-davenona izy ireo (and. 5b, cf. Gen 18. 27; Jb 30. 19). Io fihetsika io izay toa maneho ihany koa fa ataony tsinontsinona ny tenany eo anatrehan’Andriamanitra.
Saingy na eo aza izany fihetsiketsehana samihafa izany, dia tsy mihaino azy ireo akory Andriamanitra, tsy nanopy ny masony taminy akory Izy, tsy noraharahiany akory ny fitaloavany, tsy nampihetsi-bolomaso Azy akory ny fitoreony. Ny kisarisary tonga ao an-tsaina eo am-pamakiana ilay teny dia mahita zazakely iray izay mitomany, mitoreo, manao mampalahelo, mitsikafona amin’ny tany (se faire intéresser) eo anatrehan’ny reniny. Manao fihetsiketsehana maro samihafa izy mba hahatonga itsy farany hijery sy hanome izay tadiaviny, saingy ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Tsy miraharaha azy akory ilay reny malala.
Raha noheverin’ny zanak’israely fa hanetsika an’Andriamanitra ny fombafomba sy fifadian-kanina nataon’izy ireo dia diso fanantenana izy ireo. Tsy firaharahiana sy kiana mamaivay aza no nasetrin’Andriamanitra izany. Mipetraka ho azy ny fanontaniana hoe: “Fa inona no helok’ireto zanak’Israely ireto?
2. Ny heloky ny Israely
a. Izay tiany ihany no ataony
Ny andininy 3,5 dia maneho fa fombafomba ihany ny fifadian-kanina nataon’izy ireo: “… amin’ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo… Moa fifadiana tahaka izany va no ankasitrahiko?” Izany hoe, tsy mifanaraka amin’ny fihetsika asehon’ireto vahoaka ireto ety ivelany mihitsy ny toe-pony. Araka ny lalan’i Mosesy mantsy ny fifadian-kanina, izay amin’ny andro fanavotana (jour d’expiation) no fanaovana azy (Lev 16. 29-31; 23. 27-32; Nom 29. 7), dia mariky ny fibebahana marina sy fikatsahana izay hifandraisana amin’Andriamanitra tokoa (cf. 1 Sam 7. 6; 1 Mpaj 21. 27). Zava-dehibe ao anatin’izay ny fiaikena ny heloka vita, ny fandavan-tena hiala amin’ny sitrapon’ny tena manokana, mba mba hanadiovany ny fahotana (Lev 16. 30).
Tsy izay anefa no mitranga amin’ny zanak’Israely eto fa “indro amin’ny andro fifadianareo aza, mbola ny tianareo ihany no ataonareo”. Miverina in-telo ilay teny io teny hoe “izay tianareo eto” io amin’ity toko ity (and. 3, 13). Maneho izany fa tsy ny hitady izay sitrapon’Andriamanitra loatra akory no antony ifadian’ireto olona ireto fa ny hahatonga an’Andriamanitra hanatanteraka izay ilainy ihany. Midika izany fa tsy misy hetaheta marina hanao ny sitrapon’Andriamanitra akory izy ireo.
b. Miaina tsy fahamarinana sy tsy rariny maro ara-tsosialy
Manaraka izany, dia nanjaka ny tsy fahamarinana ara-tsosialy sy ara-toekarena teo amin’ireo zanak’Israely ireo (8ème siècle av. J.C). Nivangongo teo am-pelatanan’olom-bitsy ny harem-pirenena. Nanjaka ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana maro samy hafa. Noho izany, na nisedra fotoan-tsarotra sy nivavaka tamin’Andriamanitra aza izy ireo, satria nitebiteby noho ireo “menaces”, dia tsy nihaino azy ireo akory Andriamanitra. Anisany miresaka amin’ny antsipirihany ny tsy rariny niainan’izy ireo izany ireto andininy vitsivitsy manaraka ireto:
(1) Mampahory ny mpiasa ao aminy izy ireo(and. 3b). Izany hoe, tsy mijery ny hasina mahaolona ny mpiasa ao aminy, tsy mijery afa-tsy ny tombotsoan’ny tenany, anjakan’ny fitiavan-tena sns izy ireo.
(2) Miady sy mifanditra sy hamely amin’ny totohondrin’ny faharatsiana (and. 4) izy ireo. Izany hoe, tsy misy fifankatiavana akory fa mifanao ratsy izy ireo.
(3) Maro ihany koa ireo endrika fanararaotam-pahefana sy tsy fifampitsimbinana teo amin’izy ireo (and. 6-7). Noho izany, lasa sakana lehibe tsy nihainoan’Andriamanitra ny vavak’izy ireo izany (Isa 59. 1,2).
Ireo rehetra ireo dia maneho fa tena ivelan’ny vala tanteraka ny fiainam-panahin’Israely. Azo lazaina aza fa tsy ny hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra, na hitady izay hiainana ny fahamarinany no antony ifadian’izy ireo fa ny mba hahatonga an’Andriamanitra hanatanteraka ny filany ihany (cf. Jak 4. 3).
Inona kosa no andrasan’Andriamanitra amin’ny olony?
3. Izay andrasan’Andriamanitra amin’ny olony (and. 6-7, 10a,13)
Efa nambarantsika tetsy ambony fa ny zavatra andrasan’Andriamanitra amin’ny olony dia ilay fiovana ao anaty aloha, ilay finiavana sy fandavan-tena hanao ny marina takian’Andriamanitra aminy. Mampahatsiahy antsika ny tenin’i Mika mpaminany izany : « Ry olombelona ô, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao dia izao ihany : ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena » (Mik 6. 8).
Noho izany, mametraka fepetra ny mba handehanan’izy ireo amin’ny fahamarinana Andriamanitra amin’ireto andininy amanaraka ireto:
a. Hamela ny olona hiaina ao anaty fahafahana
Takian’Andriamanitra ny hamahana ny fatoran’ny faharatsiana, hanaborahana ny fehin’ny zioga, handefasana ny ampahoriana ho afaka, hanapatapahana ny zioga rehetra (and. 6,9). Ambaran’ny toko 42. 7; 49.9 fa ilay mpanompon’i Jehovah, na ilay Mesia, no fa ny hanatanteraka ireo rahateo no hanirahana Ilay mpanompon’i Jehovah, na Ilay Mesia, teto amin’izao tontolo izao. Izany hoe, mitaky ny fahamarinana mba hanafahan’ny olony manompo Azy ny Tompo.
b. Hitsimbina ny mahantra sy ny marefo
Takian’Anriamanitra ihany koa ny hizarana “ny mofonao”, and.7 ; sy “afoizanao ho an’ny noana izay hanina tianao”, ka hahavokisana ny ory (cf.and.10) ; ny hampiantranoana ny ory manjenjena, ny hanafianao izay hitanao mitanjaka (and. 7) sy ny sisa. Izany hoe takian’Andriamanitra ny hialan’ny olony amin’ny fitiavan-tena, fa mba hanana fo antra sy hahafoy ka handray andraikitra manoloana ny fahorian’izy ireo kosa. Takiany ihany koa ao anatin’izay ny tsy hanaovan’izy ireo ambanin-javatra na hihirim-belona amin’ny fahavoazan’ny noana sy marefo ary mahantra, fa hanampy azy ireo kosa. Tsy fifadian-kanina mitoreo na fihetsiketsehana manaitra noho izany no andrasan’Andriamanitra amin’ny olony eto, fa fiovam-piainana, fanomezana lanja ny mahantra, fahafoizana izay tsara ananana ho azy ireo mihitsy aza (question de générosité).
c. Manome fitsaharana ireo izay miasa fatratra
Voaresaka ihany koa ny fitandremana ny sabata eto (and. 13). Ny sabata, tany amin’ny Testamenta Taloha dia midika “fitsaharana” (repos), tsy ny fitsaharan’Andriamanitra ihany, na fitsaharana ho an’ny mpampiasa koa, fa fitsaharana ho an’ny mpanompo sy ny vahiny mipetraka, eny ho an’ireo biby mihitsy aza (Eks 20. 10). Ny hevitry ny sabata noho izany dia fikatsahana izay hiainan’ny olona rehatra (ny tompo sy mpanompo sy izay rehetra ao aminy) ny fitsaharan’Andriamanitra.
Ny andininy faha 8-14 dia ialohavan’ilay kianteny hoe “raha”, izay maneho fepetra takin’Andriamanitra amin’ny olony momba ny fiainam-pahamarinana sy ny fanetren-tena izay antoky ny hanafainganan’ny valim-bavaka sy ny fahasambaran’izy ireo. Hoy indrindra ny teny fikasana ao anatin’izay: “Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao. Ary ho tonga faingana ny fahasitrananao. Ny fahamarinanao ho loha-lalanao. Ary ny voninahitr’i Jehovah no vodi-lalanao. Amin’izany hiantso ianao ary Jehovah hamaly. Eny hanandratra ny feonao ianao ary Izy hanao hoe: Inty Aho…” Tsy misy nahatanteraka izany didin’Andriamanitra izany anefa raha tsy ilay mpanompon’i Jehovah araka ny amabaran’ny toko 42 sy izay hitantsika ety amin’ny filazantsara (Lio 4. 18,19). “Izy ilay Mpanafaka hanafaka ny olony amin’ny geja mamatotra ny fanahy rehetra. Fa raha ny zanaka no hanafaka dia ho afaka tokoa ianareo” (Jao 8. 36).
Famaranana
Eto am-pamaranana, ity teksta ity dia manasongadina ny fiaianam-pahamarinana sy ny rariny ho zava-dehibe tokoa izay takian’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisan’ny olony samy olony. Azo ambara aza fa zava-poana ihany izay fanompoam-pivavahana na fihetsiketsehana rehetra ataon’ny olona raha tsy eo aloha izay finiavana hiaina araka ny fahamarinana sy ny rariny izay. Takiany manokana ao anatin’izany ny fanafahana ireo voafatotra sy iharan’ny tsy rariny rehetra ara-piaraha-monina. Asongadiny manokana ihany koa ny fitsinjovana manokana ireo mahantra sy ny marefo ara-piaraha-monina. Taomin’ny tenin’Andriamanitra hifantoka manokana amin’izy ireo ny fo amam-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra. Mampahatsiahy ny voalazan’i Jakoba izany manao hoe: “Izao ny fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentipentina avy amin’izao tontolo izao” (Jak 1. 27). Maneho ny tokony hitsimbinana sy hanampiana manokana ireo marefo izany. Mifandraika amin’izany indrindra ny ambaran’ny Soratra Masina fa ny nahatongavan’i Jesosy Kristy teto ambonin’ny tany, dia ny hanafaka ny olony amin’ireo fatotra mba hahatonga azy ireo ho afaka hanompo malalaka an’Andriamanitra (Lio 4.18-19). Laharam-pamehana ao anatin’izany ny fanafahana ny olona amin’ny fatotry ny fahotana (Mat 1. 21).